- haltpoverty
Fiofanana

Misokatra hatramin'ny 17 Septambra ny fisoratana anarana raha maniry ny hianatra teny anglisy ampiasaina amin'ny sehatry ny fizahantany ianao, na mpianatra na efa matihanina ka manana Niveau A2 amin'ny fampiasana teny anglisy.
MAIMAIM-POANA ity fiofanana ity.
Hita ao anatin'ny fiofanana: ireo fototry ny asan'ny fizahantany, ireo voam-bolan-tsehatra, fizàrana mihaino olona miteny anglisy, ary fizàrana manana fahatokisan-tena amin'ny fandraisam-pitenena amin'ny teny anglisy. Ahitana lesona amin'ny alalan'ny video, fianarana voambolan-tsehatra, vaky teny, tafatafa, sy fitsapam-pahaizana mandritra ny fiofanana. Tsindrio ity rohy ity raha hisoratra anarana sy hanaraka ny fiofanana: http://bit.ly/EnglishforTourismProfessionals Fara-fisoratana anarana: 17 Septambra, 2021 Fiafaran'ny fianarana: 27 Septambra, 2021
Sary sy lahatsoratra: Masoivoho Amerikana